Raharaha politika : nofoanana ilay « couvre feu »

Ora vitsy taorian’ny namoahan’ny prefektiora fa tsy azo ivezivezena amin’ny alina eto Antananarivo dia nofoanana indray izany. Homena ny Colesium, Antsonjombe ny mpanao fihetsiketsehana.

Mihazakazaka ny raharaham-pirenena. Mihenjan-droa ny tady amin’ny ankolafin-kery politika. Andaniny, mikiry ny hanao tatitra eny amin’ny Kianjan’ny 13 mai, anio, ny solombavambahoaka. Tsy manaiky ny fanomezan-dalana nomena eny amin’ny Magro, Tanjom­bato izy ireo. Mbola nitsipaka ihany koa ny tolo-kevitry ny prefektiora mba hitady toeran-kafa. Tsy maintsy eny Ana­lakely no hanaovan’izy ireo ny tatitra, raha ny fanazavana hatrany. Hanatevin-daharana azy ireo ihany koa ny kandidà 11 sy ny mpiara-dia aminy. Raha ny angom-baovao natao halina, hifamotoana amin’ny toerana samihafa ny mpanao fihetsiketsehana. Aorian’izay vao samy hitandrozotra ho eny amin’ny toerana hivo­riana.
Andaniny, tsy hilefitra ny prefektioran’Antananarivo, miaraka amin’ny avy eo an­ivon’ny OMC. Nilaza izy ireo, tamin’ny fanambarana nataony teny Tsimbazaza, omaly, fa ilaina ny manao fangatahana rehefa hampiasa ny lalam-bahoaka sahala amin’ireny ataon’ny kandidà ireny. Han­dray ny andraikiny izy ireo manoloana ny tsy fanarahan-dalàna, araka ny resaka nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety. Homena ny kianjan’Antsonjombe rahateo ny mpanao famoriam-baho­aka.
Ankoatra izay, namoaka fanapahan-kevitra ny prefektiora fa tsy azo atao ny mivezivezy amin’ny alina. Ora vitsy taorian’izay anefa dia nofoanana indray izany.

r.r

Partager sur: