Raindahiny amin’ny fanendahana… : jiolahy voasambotry ny polisin’ny SAG

Voasambotry ny polisin’ny SAG teny Ampefiloha, afakomaly alina, ireo jiolahy roa raindahiny amin’ny fanendahana. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy no nahatrarana ireto jiolahy ireto. Nampia­hiahy ny fihetsik’ireto jiolahy ka niroso tamin’ny fisavana azy roa lahy avy hatrany ny polisy. Tratra tany amin’izy ireo ny antsy maranitra fampia­san’izy ireo. Nentina nihazo ny biraon’ny polisy PPA Am­pe­filoha ireto jiolahy ireto hanohizana ny fanadihadiana. Niaiky izy ireo, nandritra ny famotorana, fa nikasa hanao fanendahana teny amin’ny manodidina an’Ampefiloha. Toerana matetika ahitana asan-jiolahy amin’ iny faritra iny. Ampefiloha hatreny tetezan’i Bekiraro Am­bodin’Isotry, lalamby mihazo an’Anosibe iny no tena ahitana fanendahana miaro vonoan’olona. Maro ireo olona nitondra faisana sy lasibatra amin’ izany ka antony nahatonga ny polisy manao hetsika fisafoana eny an-toerana. Natolotra ny fampanoavana ireto jiolahy ireto ka naiditra am-ponja vonjimaika.

Lasibatry ny jiolahy koa ny raim-pianakaviana iray tratra hariva avy niasa teny 67 ha teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be garazy, afakomaly hariva. Avy niasa izy ka handeha hamonjy fodiana eny An­dra­nonahoatra Itaosy. Teo am-piandrasana taxi-be izy no niharan’ny fanendahana. Lasa ny finday teny aminy.

J.C

Partager sur: