TSELATRA

Mpiambina iray maty voatsatok’antsy teny amin’ny kaominina Fiadanana, distrikan’i Fandriana, afakomaly alina. Niditra an-keriny tao amina tsenambarotra ireo jiolahy nitondra antsy. Nisy ny fifandonana teo amin’ny mpiambina sy ireto farany. Naratra mafy vokatry ny tsindron’antsy nahazo azy ilay mpiambina ka namoy ny ainy.
Lehilahy roa nanely vaovao tsy marina tamin’ny tambajotran-tserasera naiditra am-ponja etsy Antanimora, afakomaly. Nisoloky ho mpanao gazety matihanina izy mirahalahy ireto. Tsy vitan’io, nanaparitaka koa izy ireo fa misy teratany vahiny ireo zandary nidina an-kianja nandritra ny fihetsiketsehana nataon’ireo kandidà 11. Niaiky heloka ireo roa lahy ireo rehefa nosamborina fa lainga avokoa ny vaovao naparitany.
Mpanaparitaka vola sandoka roa lahy voasambotry ny zandary tao amin’ny fokontany Ankiranomena, kaominin’i Dabolava, afakomaly. Nanakalo ny vola tamin’ny mpivarotra tao amin’io fokontany io izy mirahalahy ireto. Tsikaritry ny tompon-tsena anefa ny vola sandoka nomena azy. Nosamborin’ny zandary ireo roa lahy ka tratra.
Nosamborin’ny polisy ny lehilahy iray nahatrarana basy tsy nahitana taratasy tao Haute Ville, Antsohihy, afakomaly. Nifanena tampoka tamin’ny polisy io lehilahy io, tamin’ny 7 ora alina. Nosavaina izy ka sarona teny aminy io fitaovam-piadiana io. Tsy nahitana taratasy ahafahana mihazona izany akory teny aminy.

Partager sur: