Mandalo eto an-tanindrazana indray i Eric, amin’izao fotoana izao. Hiaka-tsehatra miaraka amin’ireo namany mandrafitra ny tarika Tselatra izy anio, etsy amin’ny tokotany malalaky ny PK 0 Soarano. Hanomboka amin’ny 4 ora sy sasany ny seho. Eo avokoa ny mpikambana ahitana an’i Poon, Zozo, Papatre, Tita ary Tovo amin’io.
Hitohy amin’ny Jazzéologie ny seho ao anatin’ny “Festival International Madajazzcar”, andiany faha-34. Seho, anio manomboka amin’ny 12 ora sy sasany atoandro, eny amin’ny Radisson Tamboho. Ireo mpitendry anisan’ny manana traikefa matanjaka no hifarimbona eny an-toerana. Anisan’izany i Elie Ramasindraibe, Michel Rabedasy, Nomena Rakotoarison, JoJass Andrian.
Fanokafana amin’ny fomba manetriketrika, manaraka ny fenitry ny Fi.Mpi.Ma, ny taom-pianarana kabary 2023 -2024, anio, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. Tohizana avy hatrany amin’ny atrikasa ho fanamafisana ny hevitra tapaka tamin’ny zaikaben’ny Fi.Mpi.Ma. maneran-tany, momba ny fampianarana eto anivon’ity fikambanana ity. Natao ho an’ny mpampianatra na ireo izay maniry ny hampianatra.
Mitombo isa ny toerana na foibe fampianarana mozika eto an-drenivohitra. Ny ankamaroan’ireny, saika manaraka ny fenitra iraisam-pirenena avokoa. Anisan’ny anton’izany ny fitodihan’ny Malagasy tsikelikely any amin’ny fianarana mozika. Manomboka tsapan’ny Malagasy ny anjara goavana entin’ny mozika amin’ny famolavolana ny maha olona.