Natomboka teto amin’ny faritra Analamanga. Anjaran’ny faritra Diana no nisitraka ireo fitaovam-pianarana avy amin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fiofanana arakasa, Vavitsara Rahantanirina Gabrielle. Tonga tany an-toerana izy nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy, tamin’ity herinandro ity. Hozaraina amin’ireo mpampiofana sy ivontoeram-panofanana miisa 11 (LTP sy CFP) ao anatin’ny faritra ny fitaovana ahitana : kahie, tsaoka ary compas. Ivontoerana 11 no nahazo izany: LTP Djamanjary Nosy Be, CFP Ampombolava Nosy Be, LTP Ambanja, LTP Ambilobe, LTP Agnivorano, LTP pk4 Antsiranana, LTP pk3 Antsiranana, CFP Antsiranana ary ny CFPF Antsiranana.
Natao indrindra hanampiana ireo mpampiofana amin’ny asany izao fanomezana fitaovana izao, araka ny nambaran’ny minisitra.
Nisaotra sy nankahery ireo mpampianatra sy ny mpampiofana amin’ny adidy masina iantsorohany koa ny tenany nandritra ny fanamarihina ny Andro iraisam-pirenena natokana ho azy ireo tamin’ity herinandro ity.
Vonjy




