Tokony hahena ho 295 ny isan’ny reny maty ho an’ny zaza teraka 100 000 eto amintsika ary misy ny asa maika hirosoana hanatrarana ny vina napetraka. Manohana ny asa ny mpiray ombon’antoka.
408 ny vehivavy maty eo am-piterahana amin’ny zaza teraka 100 000 eto amintsika, araka ny fanadihadiana EDS 2018. Mbola lavitra ny tanjona, 70 ho an’ny zaza teraka 100 000, ho tratrarina hatramin’ny taona 2030. Hoezahina ny hampidina ny tarehimarika ho vehivavy 295 mamoy ny ainy amin’ny zaza teraka 100 000 eto Madagasikara, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely Arivelo, afakomaly, teny Anosy, nandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fandrindrana ny fiterahana.
Fomba iray azo hampidinana ny taham-pahafatesan’ny vehivavy ny fandrindrana ny fiterahana. Nametraka tanjona ny hahatratra ny tahan’ny fampiasan’ny vehivavy (afaka miteraka) ny fanafody fandrindram-piterahana 60% ny fanjakana hatramin’ny faran’ny taona. 57% ny taha ankehitriny ka heverina fa ho tratra ny vina, araka ny fanazavana ihany. Efa nampitomboina avo telo heny ny sora-bola nampiasaina hividianana ny fanafody fandrindram-piterahana mba tsy ho tapaka ny famatsiana manerana ny Nosy. Miara-miasa amin’ny mpiray ombon’antoka maro ny minisiteran’ny Fahasalamana amin’izany.
Maty 10 isan’andro
Natomboka omaly koa ny asa ho fampidinana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza menavava, santarina amin’ity taona ity hatramin’ny taona 2027. Misy ny tondrozotra mizara ny andraikitry ny tsirairay hahatongavana amin’ny tanjona 295 ho an’ny zaza teraka 100 000.
Mbola manahirana ny zava-misy eto amintsika satria 18% ny tahan’ny ankizivavy latsaky ny 18 taona efa mitondra vohoka. Vehivavy 10 maty isan’andro mandritra ny vohoka na eo am-piterahana, tovovavy tsy mbola ampy taona ny telo amin’ireo.
Vonjy




