Christine Jaulmes: solontena vaovaon’ny Unicef eto Madagasikara

Nitondra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara teny amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla, omaly, ny solontena vaovaon’ny Unicef, Christine Jaulmes. Nandritra ny fihaonana, mbola nanamafy ny fanohanany ny fanjakana malagasy amin’ny fampivoarana ny zon’ny ankizy rehetra sy ny fanatsarana ny fiainan’ny marefo ity tomponandraikitra ity.

Nomarihiny koa fa misy akony lehibe amin’ny fomba fiainan’ny ankizy ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Zava-dehibe koa, hoy ny nambarany ihany, ny fanohizana sy ny fanamafisana ny fanabeazana sy ny fiarovana ny ankizivavy.
Talohan’ny nandraisany ny asany eto Madagasikara izao, nisolontena ny Unicef tany Kirghizistan nandritra ny efa-taona izy. Efa niasa tany Guinée-Bissau koa izy. Efa manana traikefa 22 taona teo anivon’ny Unicef izy ary tany Tchad no firenena niasany voalohany.
Nisehatra tamin’ny tontolon’ny serasera izy tao anatin’ny Fédération des associations et mouvements d’insertion sociale tao Frantsa, mialoha ny nidirana tao amin’ny Unicef.

Vonjy

Partager sur: