Mahatratra 320 t ny tahirim-bary akotry ao Maintirano amin’izao fotoana izao. 4000 gony amin’ireo 80 kg ny vokatra ka feno ny trano fitehirizam-bary akotry any amin’ireo fitotoam-bary ao an-toerana. Mbola voatazona ho 680 Ar ka hatramin’ny 700Ar kosa ny kapoakan’ny vary gasy, izany hoe 2 380Ar ny iray kg.
Hadihadiana ara-stratejika mialoha ny fomba hanamboarana tohodrano any amin’ny reniranon’i Mandrare. Hanao azy ny orinasa ny vondrona GEIOD sy ny FUTRURMAP, izay hakana ny antontam-baovao mikasika ny saritany amin’ny alalan’ny sidina ana habakabaka.
Malalaka ny fifamezivezen’ny olona sy ny entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Besalampy. Vita ny dingana voalohany tamin’ny fanamboarana ny fotodrafitrasa raha hiroso tsy ho ela kosa ny dingana faharoa izay mifototra amin’ny fanamboarana sy famefena ny seranan-tsambo mba hampidi-bola ho an’ny kaominina. Notokanana omaly ny asa vita.
Miisa 920 ny Trano mora natsangana ka efa vita tanteraka ny 765 manerana ny Nosy. Miparitaka any amin’ny distrika miisa 9 ireo. Miisa 186 kosa ny toeram-ponenana, trano ahitana tokantrano maromaro efa vita, azo amidy. Hampandehanana ny sampandraharaha Analogh, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana ny vola azo.