FANTINA sy FINTINA

Nilaza ny hampiakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana iraisam-pirenena ny kandidà, i Paraina Auguste. “Miantso anareo mpitandro filaminana mba hampitsahatra ny herisetra amin’ireo mitaky ny fampiharana ny tany tan-dalàna sy ny zo fototra”, hoy izy. Efa tsy azo antoka ny zandary sy ny fitsarana ka voatery izahay hampiakatra izany amin’ny ambony kokoa.

Vehivavy iray naratra tany Toliary, taorian’ny fandravan’ny Emmo/Reg ny hetsika nataon’ireo solontenan’ny kandidà 11 tany an-toerana, ny sabotsy teo. Tsy tanteraka koa fa noravan’ny mpitandro filaminana ny hetsika tao Mahajanga izay nanameloka ny heri­setra atao amin’ny vahoaka eto an-drenivohitra.

Nanameloka ny fanenjehana ireo mpanao hetsika koa ny Diaspora nijoro tao amin’ny Place de la Bastille, Times Square ary Bruxelles. Nankahery ireo naratra noho ny hetraketraky ny mpitandro filami­nana, ary miombom-po amin’ireo voasambotra tsy amin’ny antony noho ny fanamparam-pahefana.

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) manoloana ireo mpanao gazety roa naratra, raha nandrakotra ny hetsiky ny kandidà. Nirary fahasitranana nefa koa nampaha­tsiahy fa manana zo harovana ny mpanao gazety ary nentanina koa mba hanaraka ny toromariky ny mpitandro filaminana ho fiarovana azy ireo, eo am-
panatanterahana ny asany.

Partager sur: