Hanomboka anio 9 oktobra 2023, ny « fenêtre Fifa ». Raha ho an’ny Barea, hisy lalao ara-pirahalahiana roa miandry azy ireo. Ny fihaonana amin’i Mauritanie sy i Bénin. Marihina fa any Marôc no hanaovana ireo lalao ireo. Ilay Malagasy Mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Felix no hitondra vonjimaika ny ekipam-pirenena malagasy raha ny lamina nataon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF).
Notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Santiago Bernabeu, ny fihaonana teo amin’ny Real Madrid Espagne sy ny Osasuna Espagne. Nandresy tamin’ny isa mavesatra 4 no ho 0 ny Real Madrid, tamin’ity lalao ity, ary mipetraka ho laharana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Espagne izy ireo amin’izao fotoana izao. Marihina fa nahatafiditra baolina roa, Bellingham, mpilalao Real Madrid.
Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro amin’ity ampahavalon-dalan’ny « Mondial Rugby 2023 » izay atao any Frantsa, ity ny fihaonana eo amin’i Frantsa, mpampiantrano sy i Afrika Atsimo. Hotanterahina ny alahady 15 oktobra ho avy izao io fihaonana io. Tsiahivina fa ny Springboks no tompondaka farany tamin’ny taona 2019. Ny sabotsy ho avy izao, hifanandrina amin’i Nouvelle Zélande i Irlande.