Nanolotra ordinatera mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy “kits solaires” efatra ho an’ny CFPF ny minisitry ny Fampianarana teknika. Fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Paositra ny fampitaovana. Nanome tany ihany koa ny minisiteran’ny Paositra ahafahana manitatra ny CFPF Antsiranana. Maro ireo vehivavy maniry hiofana ao ka nanome valonan-damba sy « batteuse » ho an’ny CFP sy CFPF ny minisitra.
Ho fandraisana anjara amin’ny hetsika « Octobre rose » iadiana amin’ny homamiadana, manao fitiliana faobe eto Antananarivo ny CHU Andohatapenaka sy ny CHU Andrainjato, Fianarantsoa. Fitiliana ny homamiadan’ny nono no hotanterahina mandritra izany. Efa nanomboka ny 9 oktobra lasa teo ny hetsika ary hifarana ny 27 oktobra ho avy izao.
Nizarana fitaovam-pianarana toy ny aron’akanjo, kapa, kahie ary penina ireo mpianatra ao amin’ny EPP Tsihaky, Cisco Morombe , Dren Atsimo Andrefana, Nisitraka izany koa ireo mpianatra ao amin’ny Cisco Antsalova, Dren Menabe, tamin’ity herinandro ity. Fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana avokoa ireo.
Naharitra telo andro, nifarana ny sabotsy lasa teo ny hetsika « Grain de pollen », andiany fahatelo. Hetsika nokarakarain’ny Canal 7 events, notanterahina tetsy amin’ny Plaza Ampefiloha. Nahasarika olona maro misehatra amin’ny fikarakarana voninkazo sy zaridaina ary mpanaingo tanàna ny hetsika, raha ny zava-nisy teny an-toerana.