FANTINA sy FINTINA

Hiditra anatin’ny propagandy ofisialy i Mada­gasikara, araka ny fanambaran’ny misionera amerikanina, omaly. “Manentana ny governemanta sy ireo kandidà i Etazonia mba hanao ny ezaka hanohanana ny fifidianana malalaka sy madio ary koa ny zotram-pifidianana eken’ny rehetra sady atokisan’ny mpifidy”, hoy izy ireo.

Nametraka taratasy fampahafantarana eny amin’ny HCC ny tsy fahafahany miatrika araka ny tokony ho izy ny fifidianana ny kandidà Raobelina Andry. Nambaran’ny mpisolovava azy fa anton’izany, noho izy tsy maintsy hotsaboina any ivelany rehefa tsy vita teto an-toerana.

Taorian’ny fanambarana nataon-dRazafi­mahefa Herimanana, filohan’ny Antenimierando­holona, momba ny fahavononany hanao filoham-pirenena mpisolo toerana. Nilaza ireo fikambanan-doholona miisa 14 ao amin’ny vondrona IRD fa amin’ny anarany manokana no nanaovan’izany fa tsy nisy teny fifampierana.

Manameloka ny fihetsika feno habibiana nataon’ireo herim-pamoretana ny Seces Tana. Namba­­ran’izy ireo fa tokony hohajaina ny tany tan-dalàna, ny demokrasia ary ny fihavanana. “Tsy misy na iray aza hahazo tombony ao anatin’ny fifandrafiana sy ny hambom-po diso toerana “, hoy izy ireo.

Partager sur: