Mora ny vidin’ny legioma izao satria fotoana fanaovana ny voly avotra izay fambolena legioma, tena fidiram-bolan’ny tantsaha. Manodidina ny 2 000 Ar ny kilaon’ny voatabia sy ny tongolobe eny amin’ny tsenan’Andravoahangy. Somary lafo kosa ny karaoty, izay 1 500 Ar ny kg, raha 800 Ar rehefa amin’ny fotoana maha vokatra azy.
Tafiditry ny firehana politika sy ny fihariany ny mpivarotra madinika. Misy ny nanao fihetsiketsehana, omaly, mitaky ahafahan’izy ireo manao ny fihariany andavanandro. Ao koa, no manohy ny fihariany andavanandro hatrany, tsy maneho hevitra. Taratry ny fahasamihafan’ny fijery sy ny fandraisany ny tontolo politika sy ny andavanandrom-piainany izany.
Asa tsy manana sata ara-dalàna ny 90% amin’ ny asa eto Madagasikara. Araka ny antontanisan’ny Instat, miisa 100 000 isan-taona ny tanora malagasy mitady asa eto amintsika. Taratry ny fahantrana izany, satria voatery hisehatra amin’ny asa madinika tsy ara-dalàna ny rehetra, na ireo manana fari-pahaizana ambony aza.




