Roa taona izay no niara-niasa amin’ny hetsika « Octobre rose” ny Tahirin’ny Firenena mikambana ho an’ny mponina (UNFPA) sy ny Fondation Akbaraly. Manao fanentanana sy fitiliana maimaimpoana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza izy ireo.
Nahatratra 12 447 ny trangana homamiadana voatily ka voakasika ao avokoa ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny karazana homamiadana maro. 3 763 tamin’ireo no homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza ary 3 138 homamiadan’ny nono. Io no hita ny taona 2020, araka ny antontanisa avy amin’ny UNFPA. Nahatratra 2 460 ireo matin’ny homamiadan’ny nono raha 1 610 kosa ny namoy ny ainy vokatry ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. “Azo tsaboina tsara ny homamiadana roa mpahazo ny vehivavy raha voatily mialoha”, hoy ny solontenan’ny UNFPA eto amintsika, Josiane Yaguibou, omaly, teny Andraharo. Izay no maha zava-dehibe ny «Octobre rose” hanaovana fitiliana maimaimpoana ny vehivavy rehetra amin’ny toerana telo iasan’ny Fondation (Antananarivo, Fianarantsoa ary Mahajanga).
Ny taona 2022, vehivavy 26 217 no voatily ary nisy koa ny fitarafana “mammographie” sy «échographie mammaire” vita, araka ny fanazavan’ny mpanatanteraka ny Fondation Akbaraly, Francesco Cimino.
Manantena izy ireo fa hitombo ny isan’ny vehivavy voatily amin’ity taona ity. Ny vehivavy izay hanao ny fitiliana dia efa nanomboka ny 9 oktobra lasa teo izany teto Antananarivo sy amin’ny toerana roa hafa misy ny asan’ny fondation eto amintsika.
Manomboka amin’ny faha-30 taonan’ny vehivavy no ilaina ny manao fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Azo atomboka mialoha io taona io raha ohatra efa nisehoana aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ilay vehivavy. Averina indray, afaka telo taona ilay fitiliana raha tsy nisy zavatra nampiahiahy hitan’ny mpiasan’ny fahasalamana.
Vonjy




