Complexe Andakana : ankizy marefo 1 500 beazin’ny FCRA

Notokanana ny faran’ny herinandro teo, teny Am­bo­hi­tri­nibe Andakana, ny akany Fifanampiana, Centre Rassoul Akram (FCRA). Mahatratra 1500 ireo ankizy sy tanora kamboty na marefo ara-pivelomana mipetraka manodidina ny kaominina beazina ao an-toerana.
Nitokana ny fotodrafitrasa ny minisitry ny Mponina sy ny fi­a­hiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, Soa­fi­lira Princia. Nanentana ireo mpiantsehatra ny tenany amin’ny fiarovana ny ankizy amin’ny karazana herisetra sy fanararaotana maro mba hananan’izy ireo fivelarana eo amin’ny fiainana.
Fanabeazana ara-tsaina sy ara-batana ireo ankizy no safidin’ny FCRA amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana sy fiarovana ny ankizy sy ny tanora, fa indrindra ireo tena sahirana sy kamboty.
Nanazava ny tomponandraikitra fa akany laika izy ireo ka mandray ireo ankizy tsy misy fanavahana eny fa na ivelan’ny kaominina aza.
Tombony ho an’ireo kaominina manodidina ny fijoroan’ny akany satria manampy amin’ny fiahiana ireo ankizy te hioitra amin’ny fianarana kanefa tsy manana ny fahefa-manao amin’ izany izy ireo.

Tatiana A

Partager sur: