INDRAY MIJERY

Ny hafanana mihoapampana no misongadina ato anatin’ny telo andro ho avy any amin’ny tapany avaratry ny Nosy. Mila mailo ireo mpampiasa ranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary atsimo atsinanan’ny Nosy satria hahery ny ranomasina. Mety hahatratra 2,5m ny haavon’ny onja manomboka eo Maintirano hatrany Morondava ary 3m hatramin’ny 4m eo Morondava hatrany Farafangana.
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny tranon-tsekoly misy efitrano fianarana telo sy trano fivoahana ao amin’ny EPP Talakifeno, Zap Ambatoabo, Dren Anosy, ny herinandro lasa teo. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Unesco, ny foibem-pitondram-paritry ny tontolo iainana ary ny “Korean International Coopération Agency” (KOIKA) no nahazoana ny fotodrafitrasa.
Nitohy ihany ny fitokonan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, omaly. Tsy mbola voavaha ny olana hatramin’izao ka sahirana ireo mpianatra, manahy ny hoavin’ny taom-pianarana 2022-2023. Ireo mpianatra afaka bacc, maniry ny hiditra amin’ny taona voalohany L1, miandry ny fanombohan’ny fanadinana fandraisana.
Tontosa, ny herinandro lasa teo, ny lanonam-pamoahana ireo andiany faha-12 misalotra ny anarana hoe “Taratra” avy ao amin’ny LTP PK4, any Antsiranana. 23 ireo mpiofana ka ny 13 nanaraka ny sampam-piofanana «Maintenance Industrielle» ary ny 10 kosa nanao «Finance et Comptabilité». Nanaraka ny «Formation de Téchnicien Supérieur» (FTS) izy ireo ary nahazo ny mari-pahaizana BTS.

Partager sur: