Halatra gisa : lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray nangalatra gisa no matin’ny fitsaram-bahoaka. Tao amin’ny kaominina Feramanga Avaratra, distrikan’Ambatondrazaka no nisehoan’izany ny zoma 6 oktobra teo.

Efa lafony teny an-tsena ny gisa nangalarin’ny lehilahy iray, tao amin’ ny fokontany Ambohimana­rivo, kaominina Feramanga, ny talata 3 oktobra teo. Malaza ratsy amin’ny hala-boty ao amin’io fokontany io ity lehi­lahy ity ka nandraisan’ny fokonolona kendry tohina. Very tokoa ny gisa an’ny mpiompy iray tao an-tanàna ka tratra tamin’izany ilay mpangalatra. “Nentin’ny fokonolona nihazo ny tsena izy rehefa voasam­botra. Efa lafony teny tokoa io vorona nangalariny io”, hoy ny loharanom-baovao ao an-toerana. Nentina niverina tany an-tanàna, araka izany, ity lehilahy ity. Raikitra ny daroka sy ny vono nataon’ny fokonolona. Naratra mafy izy tao­rian’io ka nentina nihazo ny hopitalin’Ambatondrazaka. Tsy tana anefa ny ainy ny zoma lasa teo ka nitarika ny fahafatesany.

Efatra voasambotra
Toarian’ny fandevenana io lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka io, ny sabotsy 7 oktobra teo, niroso tamin’ny fanadihadiana ny zava-nisy marina ny mpitandro filaminana ao amin’ny kaominina Feramanga. Olona efatra tamin’ny fokonolona nosamborina ary hatao famotorana lalina. Voarohirohy ho tompon’andraikitra tamin’ ny fampiharana ny fitsaram-bahoaka izy ireo. “Tsy manam-baovao ho zaraina izahay ha­treto”, hoy ny teo anivon’ny zandarimaria Ambatondra­zaka raha nantsoina an-telefaonina mahakasika ity raharaha ity.

Tsiferana R.

Partager sur: