Mpanao vola sandoka iray sarona teo am-panakalozana vola sandoka mitetina 8 600 000 Ar tao Miandrivazo, afakomaly. Manaparitaka ny vola tsy tena izy ao an-toerana ity lehilahy tra-tehaka ity. Nahazo loharanom-baovao ny teo anivon’ny polisim-pirenena fa misy manakalo vola 20 000 Ar sandoka manerana ny kaominina ao an-toerana. Nanao paikady manokana nanatrarana io olon-dratsy tompon’antoka io ny polisy. Nidina ifotony izy ireo ka natao ny fisavana, teo am-panakalozana io lehilahy voatondro io. Tsy afa-nandà, sarona teny aminy tokoa ny vola sandoka. Tratra tao an-tranony ny fitaovana fanamboarana vola sandoka. Nogiazana avokoa ireo fitaovana sy vola sandoka ireo. Atao famotorana io mpisoloky gagilahy io ka hatolotra ny fampanoavana aorian’izay.
Tsiferana R.