Kandida siteny: nosamborina ny roalahy mpiambina azy

Nosamborin’ny mpitandro filaminana tampoka ny mpi­ambina roa lahy an’ny kandidà ho filoham-pirenena, Siteny Randrianasoloniaiko, tetsy Antaninarenina, omaly tolakandro. Nisakafo tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray eny an-toerana izy ary nitafa tamin’ny mpanao gazety mahakasika ny tontolon’ny fanatanjahantena. “Tsy nisy nanampo na inona na inona izahay”, hoy ny nambaran’ny nanatri-maso. Tampoka anefa, nigadona teny an-toerany ny mpitandro filaminana. Na­natona ny fiaran’io kandidà io izy ireo. “Mbola nitafa tamin’ ireo mpanao gazety namany tao anatin’ny trano fisaka­foana io kandidà io tamin’ny fotoana nigadonan’ireo mpitandro filaminana”, araka ny loharanom-boavao. Voasam­botra nandritra io fotoana io ireo mpiambina roa lahy nijanona teo amin’ny fiara. Nam­pahafantatra avy hatrany ny kandidà Siteny ny zava-nisy ny atleta iray namany. Niko­ro­paka nijery ny zava-nisy ireto farany saingy tsy nisy azony natao intsony. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Marihina
fa nanatontosa fidinana an-dalambe nanomboka teo amin’ny kianja Barea nandalo an’Anosibe ary nifarana teny Andavamamba, omaly, ny vondron’ny kandidà 11.

Tsiferana R.

Partager sur: