Raim-pianakaviana iray namoy ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy tao Tanambao Verrerie, afakomaly. Nody alina, tamin’ny 12 ora, io lehilahy 58 taona io. Miasa ao amin’ny Spat ao an-toerana, anisan’ireo mpibata entana izy. Nihosin-dra ny tarehiny rehefa izy avy namonjy lanonana. Hatairana ny an’ny fianakaviany nahita ity raim-pianakaviana naratra mafy ity rehefa niditra tao an-tranony. Niezaka nitsabo noho ny ratra nahazo io lasibatra io ny olona akaiky azy. Nateraky ny fahavoazana anefa tsy tana intsony ny ain’io lehilahy io.
Fiara iray tra-doza tao Andilantsefo, distrikan’i Mandritsara, afakomaly. Tapaka hisatra tampoka ny fiara ka nitera-doza. Nivadibadika ny fiara taorian’io ka nisy ireo naratra. Tsy namoizan’aina olona ny loza. Nentina namonjy toeram-pitsaboana ireo naratra nandritra ity lozam-pifamoivoizana ity. Marihina fa nitondra entana maro sy mpandeha io 4×4 niharan-doza io.
Norobain’ny dahalo ny omby 37 isa tao amin’ny fokontany Avaradrova, kaominina Ankirindro, afakomaly alina tamin’ny 12 ora. Ren’ny tompon’omby ny fahatongavan’ireo olon-dratsy. Nampandre ny fokonolona avy hatrany ny lasibatra ka raikitra ny hazalambo. Nanampy azy ireo koa ny mpitandro filaminana. Tafaverina avokoa ireo omby halatra.
Fiara mpitatitra mpianatra niharan-doza tampoka tao Androva, omaly maraina. Samy nandeha mafy ny kamiao iray sy io taxibe io. Nifandona tampoka ny lohan’ny fiara roa tonta. Nitondra ireo zaza handeha hamonjy toeram-pianarana anefa ilay bus ka nisy ireo naratra. Nentina nanatona mpitsabo avy hatrany ireto farany.