CHU Anjanamasina : 1 000 isan-taona ny olona manaraka ny fahasalaman’ny saina

«Zontsika ny hanana saina salama». Io no lohahevitra noraisina amin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalaman’ny saina, omaly.

“Araka ny fanadihadian’ ny Sampandraha­rahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS), amin’ny taona 2030, ho lasa olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka maneran-tany ny fikoronta­nana ara-tsaina sy ny aretin-tsaina ka mila fandraisana
an-tanana”, hoy ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Hatra­min’izay, tafiditra amin’ny aretina notsinontsinoavina ny
olan’ny saina, antony anaovan’ny fanjakana ezaka, amin’ izao fotoana izao, ny hanome tolotra fitsaboana mitsinjo ny aretin-tsaina.

Maneran-tany, olona iray amin’ny valo no manana olana ara-tsaina izay miteraka akony ho an’ny fahasalaman’ny va­tany sy ny fifandraisany amin’ ny manodidina azy. Tsapa fa miha maro ny adolantsento
sy ny tanora voakasik’izany olan’ny fahasalaman’ny saina izany.

“1 000 isan-taona ny olona manaraka ny fahasalaman’ny saina eny amin’ny CHU Anja­namasina. 35 kosa ny marary ao amin’ny hopitaly, ny volana mey lasa teo”, hoy ny talen’ny hopitaly Anjanamasina, dokotera Rahanitrandrasana Esther Odile. Mitombo hatrany ny isan’ ny marary. Ireo marary tsy mikorontanabe sy masiakabe intsony no manaraka fitsa­boana ara-javakanto.
Sokajin’olona maro no manatona eny amin’ny CHU Anjanamasina, mikorontan-tsaina, tsy te hiasa na hia­natra, nidonam-pahoriana ka harovana izy ireo tsy ho tonga amin’ny rarintsaina. Lehilahy no maro anisa amin’ireo raisina an-tanana. Mizara sokajy telo ireo marary: ireo manana fi­fandraisana ratsy amin’ny fiarahamonina ka anisany ny vokatry ny fandraisana zava-mahadomelina, ireo voadona mafy na nidiran’ny otrikaretina ny faritry ny loha. Farany ireo marary saina noho ny tarazo manaranaka.

Vonjy A.

Partager sur: