“Tsy maintsy miroso amin’ny fanelanelanana isika raha tsy te hifamono”, hoy ny mpitondra tenin’ny Vondron’ny administratera sivily, Ratolojanahary Maharavo, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Mijoro hamaly ny antson’ny FFKM izy ireo, mahatsapa fa tsy afa-miala amin’ny olana eto amin’ny firenena. “Tandindomin-doza ny firenena ary ny ain’olombelona sy ny fananany manoloana ny fihetsiky ny mpanao politika entin’ny fitiavan-tena, entin’ny tsy fieritreretana fa hiroso amboletra amin’ny raharaham-pifidianana”, hoy izy. Raha hirosoana tsy misy fiaraha-midinika ny fifidianana, tsy vitan’ny hifamono fotsiny ny olona fa tsy fantatra izay hiafarana.
Tsy mety miroso araka ny tokony ho izy ny fanelanelanan’ny FFKM. Manahy ny hiroso amin’ny fanelanelanana ny mpitondra fanjakana. “Izay no mahatonga anay mijoro. Tsy maintsy mijoro isika amin’ny fanarahana ny lalàna velona”, hoy ihany izy. Amin’izao, atosiky ny mpanao politika ny zandary sy ny polisy hanao ny andraikitry ny Atitany sy ny Praiminisitra.
R. Nd.




