TRANO MORA : maro ireo nisitraka, nomen’ny fanjakana

Tontosa tamin’ity herinandro ity ny fisarihana ny fahazoana ny trano mora any Nosy-Be sy any Morondava. Natao tao anatin’ny mangarahara ary natrehin’ny vadintany avokoa izany. Niara-dalana amin’izany koa ny fametra­hana ny vatofototra ho amin’ ny fanorenana ny “Immeuble mora” ao Tsararivotra, Nosy-Be. Manaraka ny fenitra sy ny kalitao ireo trano fonenana rehetra vita. Hanomboka ny fanajariana ny ivelany amin’ny alalan’ny fefy, jiro, rano, zaridaina. Ho vonona tsy ho ela izany ary ho azo hipetrahan’ ireo voasarika ho tompon’ izany toerana izany.
Etsy andaniny, nisitraka toeram-ponenana koa ny ao Alatsinainy Ibity, fokontany Mananjara, Antsirabe. Ahitana tanàna vaovao sy toeram-ponenana ity tetikasa “Tanàna maharitra” ity.
Natolotra tamin’ny fomba ofisialy tamin’izany ny bokin’andraikitra sy ny taratasy fahazoan-dalana hisitraka ny tetikasa ho an’ ireo mponina any an-toerana, narahin’ny fifanaovan-tsonia ampahibemaso.
Tsiahivina fa miisa10 ireo fianakaviana mipetraka manodidina ny orinasa tsy miankina Cementis Madagascar nisi­traka izany raha toa ka trano fonenana manara-penitra miisa 30 no vina napetraky ny fitondram-panjakana ho tan­terahina. Manohy ny asany hatrany, araka izany, ny fitondram-panjakana ary tsy hijanona ny tetikasa raha tsy tratra ny vina napetraka.

Synèse R.

Partager sur: