Misy atrikasa fanofanana ireo mpisehatra nanomboka omaly hatramin’ny zoma, ho fanehoana ny fotokevitra fototra, ny rafim-pandaminana, ary ny andraikitry ny mpisehatra samihafa amin’ny fampiharana ny « Validation des acquis de l’expérience (VAE) », Manohana ny Tetikasa « Jeune Malgache Compétente au Travail (JMCT) ».
Hisy orana tandrifin-drahona arahin-kotroka amin’ ny afovoantany sy ny morontsiraky ny faritra Atsimo manomboka ny zoma ho avy izao ary tombanana hihamando kokoa ny habaka manomboka eo. Manan-kery hatramin’ny anio ny fampitandremana fa hanonjabe ny ranomasina manomboka eo Maintirano hatrany Farafangana.
Nandalovan’ny kamiao manome tolotra fahasalamana maimaimpoana faradoboky ny faritra Diana tao Anivorano, Antsiranana II. 2 036 ireo olona noraisina an-tanana ary 6 108 ireo olona noentanina mahakasika ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahavavy sy mahalahy (VBG). Nisitraka tolotra koa ny tapany atsimon’ ny Nosy.
Niala tsy ho minisitry ny Fanabeazam-pirenena
intsony koa Sahondrarimalala Marie Michèle. Hanohana ny kandidà Andry Rajoelina amin’ny fampandaniana azy ho filohan’ny Repoblika indray ary handray anjara amin’ny fampielezan-kevitra, araka ny nambarany tao amin’ny pejy facebook-ny. Minisitra faharoa nametra-pialana izy.