Manodidina ny 4 798 Ar ny euro iray amin’izao fotoana izao. Tato anatin’ny andro vitsy, tsy mitsaha-mitontongana ny lanjan’ny ariary. Mitarazoka ihany koa ny fiainan’ny Malagasy miaina anaty fitaintainana lalandava noho ny fiainam-pirenena sy ny fitadiavana isan’andro. Miankina amin’ny toekarena avokoa ny fandrosoan’ny zava-drehetra.
Manahy amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana sahady ny ankamaroan’ny olona manoloana ny filaharana lavareny izao. Simba ny fihariana madinika indrindra ho an’ireo mpivarotra izay voatery manakaton-tsena noho ny tahotra ny fandrobana sy ny asan-jiolahy isan-karazany. Mihena, manaraka izay, ny fidiram-bola ho an’ny tokantrano.
Mampahatsiahy ny toromarika sy ny lalànan’ny fifamoivoizana momba ny hamaroan’ny olona sy ny entana mivezivezy amin’izao vanim-potoana ny fampielezan-kevitra izao ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Manentana ny mpampiasa lalana rehetra izy ireo mba hitandrina sy hanaja ny lalànan’ny fifamoivoizana hisorohana ny loza mety hiseho.
Manohy mitatitra nanomboka omaly ny zotra andalamby FCE mampitohy an’i Fianarantsoa sy Sahasinaka rehefa niato tao anatin’ny herinandro vitsy. Mbola amboarina kosa ilay lalamby eo Tanakidy Voromailala, toerana nahatonga ny loza. Marihina fa mpitatitr’olona sady mpitatitr’entana ny zotra FCE, isaky ny talata sy sabotsy.