Rayan Raveloson, Malagasy mpilalao baolina kitra. Naneho fihetsika mendrika ity Malagasy milalao ao amin’ny Barea de Madagascar ity. Namangy an’ilay ramatoa mpankafy iray izay nankalaza ny faha-98 taonany izy, notolorany fanamiana mitondra ny anarany ity ramatoa ity. Marihina fa mpilalaon’ny Auxerre France Raveloson.
Notanterahina ny alatsinainy lasa teo, ny le Leg II amin’ny fifaninanana ITF, taranja tenisy, sokajy “Junior”. Tamin’ireo Malagasy mpilalao miisa fito, Razafindrakoto Aritoky irery ihany no tafita amin’ny dingana faharoa, rehefa nandavo an’ilay Libaney, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1, 6/1).
Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), misy toerana telo hisafidianana hanaovana ny fifidianana. Raha ny fantatra, manodidina an’Ivandry eo izany. Marihina fa hatao ny 14 oktobra ho avy izao io fifidianana io, ary miisa dimy ireo kandidà.
Lamine Yamal, mpilalao baolina kitra any Barcelone, klioba espaniola. Manomboka miteraka olana amin’ity mpilalao ity ny fizakany zom-pirenena roa, araka ny fanambarana nataon’ny gazety espaniola. Mikasa ny hiantso azy hamonjy ny fampivondronana iraisam-pirenena i Maroc sy i Espagne.