TSELATRA

Lehilahy iray namoy ny ainy nianjeran’ny trano andalam-panorenana tao amin’ny fokontanin’Ambohi­miari­vo, kaominina ambanivohitr’Antsirabe, ny fiatombohan’ny herinandro teo. Nandrava ny “coffrage” ireo mpanamboatra trano, kinanjo nirodana tampoka ny fotodrafitrasa efa vita. Niezaka nanavotra ny lehilahy voatsindry ny mpamonjy voina sy ny manodidina saingy tsy tana ny ainy.

Lehilahy 30 taona hita faty tao amin’ny fokontany Ambohitsabo, Toliara, omaly maraina. Avy amin’ny fokontany Ambohitsabo io maty nisy namono io. Nentin’ny mponina nihazo ny hopitaly be ao an-toerana ny vatana mangatsiakan’io namoy ny ainy io.

Mpitondra moto roa naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoizanana tetsy amin’ny Fasan’ny Karana, afakomaly alina. Samy nandeha mafy ny roa tonta ka nifandona rehefa tsy nahafehy ny familiana. Nentin’ireo nanatri-maso nihazo ny hopitaly avy hatrany ireo naratra. Potika tanteraka ny moto.

Omby vavy iray lasan’ny dahalo ka taolany sisa navelany tao amin’ny fokontany Ambohitrinilahy, kaominina II, ny alin’ny alatsinainy alina teo. Minitra vitsy taorian’ny tranga, saron’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambohipaly ny omby izay efa taolany sisa.

Nanatanteraka fivoriana manokana hanamafisana ny fandriampahalemana amin’ny sisintany Atsimo Andrefana sy Ihorombe ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana, afakomaly. Nodinihina, nandritra izany, ny paikady manokana hifehezana ny fandriampahalemana.

Partager sur: