Voasambotry ny fokonolona ny iray tamin’ireo jiolahy efa-dahy nikapa antsibe ilay mpivarotra drakaka, tao Ambararata, fokontany Ampoza, Kaominina ambanivohitra Andranovao, distrika Maintirano, afakomaly. Nanao ny asany teo am-pivarotany io raim-pianakaviana mpivarotra io no tonga tampoka ny jiolahy. Nandanja drakaka izy kinanjo nokapain’ireo tsy mataho-tody tampoka tamin’ny antsy. Rovitra tanteraka ny sofiny havia sy ny hodi-tavany. Poa toy izay, nandositra ireo efa-dahy. Tetsy ankilany, nataon’ny fokonolona hazalambo ireo nahavanon-doza. Voasambotra ny iray ka niharan’ny daroka. Nahiana mafy ny fahasalaman’io iray tamin’ireo nahavanon-doza io noho ny faharatrany, araka ny loharanom-baovao. Naterina nihazo ny hopitaly kosa ilay mpivaro-drakaka naratra mafy voakapa antsy.
Tsiferana R.