Vonona tanteraka ireo fotodrafitrasa handray ireo «scanner» vaovao hampiasaina ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Efa tafiditra tanteraka
amin’ny fampiasana ny tetikasa «100% scanning»
i Mahajanga sy i Toliara.
Hampifandray ny tantsaha mpamokatra sy ny mpandraharaha, hanamafy ny famokarana mitodika amin’ny tsena. Ireo ny tanjona napetraka tamin’ny fahavitan’ny biraon’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria ao Ihorombe, izay notohanan’ny fandaharanasa DEFIS ary vatsian’ny FIDA vola.
Hiara-hiasa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana sy ny Banque alimentaire de Madagascar, ho fitsinjovana ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny haintany any amin’ny faritra Atsimo ary ireo faritra samihafa.
Nahazo ambezom-bary 2 295 kg sy zezika NPK milanja 3 825 kg ary zezika biolojika 19 125kg ireo tantsaha mpamokatra 153 isa avy ao amin’ny distrika Soalala sy Mitsinjo. Tohana avy tamin’ny tetikasa PURPA izay vatsin’ny BAD, niaraha-niasa akaiky tamin’ny Fonds de développement agricole.