Maneran-tany, tsy mahavita ny kilasy de 3ème (T9) ny zatovovavy iray amin’ny dimy, ary tsy mahatody hatramin’ny kilasy famaranana ny ankizivavy efatra amin’ny 10.
49,8% ny tahan’ny fahavitan’ny ankizivavy ny ambaratonga fototra eto amintsika, araka ny fanadihadiana momba ny mponina sy ny trano fonenana, RGPH 2018. Zatovovavy iray amin’ny efatra no mahavita fianarana ambaratonga faharoa, hoy ny Unicef. Ilaina ny mandrisika ny ankizivavy hianatra, hahazoany asa fivelomana sahaza rehefa any aoriana. Mila omena ny vaovao sy torohevitra momba ny fananahana ara-pahasalamana koa izy ireo isorohana ny vohoka aloha loatra sy ny fanalan-jaza manohintohina ny fianarana. Napetraka eny anivon’ny CSB ny sampan-draharaha misahana ny tanora manokana ary misy mpanentana olon-tsahala koa ny ivontoerana ho an’ny tanora hanome torohevitra momba ny fananahana ara-pahasalaman’ny tanora (SRA). 29,60% ny tahan’ny vohoka aloha loatra (MICS 2018) eto Madagasikara.
Andro maneran-tany ho an’ny ankizivavy, omaly. Tsy nisy ny fanamarihana ofisialy fa samy nanana ny fomba nanehoany izany ny fikambanana. Ny fahafahan’ny zatovovavy miatrika ny hoaviny no lohahevitra noraisin’ny fikambanana manabe ankizivavy sy zatovovavy Mpanazava ho fivoizana ny Andro maneran-tany ho an’ny ankizivavy.
Vonjy
Ho an’ny firenena mahantra, tsy afaka mikirakira internet ny 90% amin’ny zatovovavy sy ireo tanora vehivavy. Eny anivon’ny tokantrano, miasa bebe kokoa mihoatra amin’ny ankizilahy ny ankizivavy (5-14 taona) amin’ny fanampiana amin’ny raharaha samihafa. Iharan’ny herisetra ara-nofo na ara-pananahana indray mandeha teo amin’ny fiainany ny zatovovavy ary herisetra nataon’ny olona miaraka aminy ihany ny ankabeazany.




