SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ao amin’ny kianjan’Analakely Stadium, ny fifaninanana “Baolina kitra ho an’ny Jamba”. Raha ny filazan’ny mpikarakara, Cecifoot no fiantso azy ary tafiditra anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena amin’ny tehina fotsy izy ity. Ireo mpilalao dimy eny ambony kianja ihany no jamba fa mahiratra ny mpiandry harato.
Hotanterahina ny alahady ho avy izao, eny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka, ny fihaonana fahatelo amin’ny Federal 2, taranja Rugby. Miisa dimy ireo lalao handeha amin’izany. Hamarana ny fotoana ny fihaonan’ny Hiza 17 Angarangarana sy ny XV Family Vondrona.
Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, any Royaume Uni sy Irlande no hatao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, Euro 2028. Any Italie sy Turquie indray ny hanaovana ny Euro 2032. Tsiahivina fa any Allemagne ny hanantaterahina ny Euro 2024 ho avy io.
Ange Capuozzo, Malagasy milalao amin’ny ekipam-pirenen’i Italie, taranja Rugby. Raha ny fantatra, nandray anjara tamin’ny Mondial 2023 izy ary anisan’ireo niakatra teny ambony kianja nandritra ny fihaonan’i Italie sy France. 24 taona i Capuozzo, ary ny rainy dia Italianina raha toa ka Malagasy ny reniny.

Partager sur: