TSELATRA

Naiditra am-ponja ny raikely 50 taona nanolana ny zana-badiny 8 taona, tao amin’ny fokontany Soalazaina, kaominina Soalazaina,  distrikan’Amba­ton­drazaka, afakomaly. Efa nampiharany ny filan-dratsiny nandritra ny fotoana naharitra saingy tsy sahy niteny io ankizivavy io. Nitoroka anefa ny fianakavian’ity farany ka izao voasambotra ary nalefa any am-ponja izao ilay raikeliny.

Dahalo raindahiny iray voasambotry ny miara­mila avy ao amin’ny « Birgade d’infanterie Maha­janga », ny 10 oktobra teo. Nanatontosa fanafihana tao Ambatofotsy Beangely, fokontany Ambodisakoa, kaominina Antanimbary, distrikan’i Maevatanana, ny alahady 8 oktobtra teo io dahalo io.Voasambotry ny mpitandro filaminana taorian’ny fanarahan-dia izy.

Tovolahy iray hita nitsirara  teny amin’ny fasana tao  Antanety Ambatomirahavavy, ny alatsinainy teo. Tsikaritry  ny mpandalo fa tsy nihetsika intsony io lehilahy io ka nanantonan’izy ireo. Efa tsy nisy aina intsony io lehilahy hita  io. Nihazona tavoahangy namofona alikaola teny aminy.

Raim-pianakaviana 77 taona nokapain’ny jiolahy famaky ny lohany sy ny tanany tao Mangabe, kaominina Ilafy, distrikan’Ambatondrazaka, ny talata 10 oktobra teo. Efa-dahy ireo jiolahy niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray. Raikitra ny fifandonana rehefa niaro tena io rangahy io. Nokapain’ireo tsy valahara tamin’ny famaky avy hatrany ny loha sy ny tanany. Mbola voatoraka koa teo amin’ny tratrany ka tsy nahatsiaro tena izy. Voaroba ny vilany rehetra tao amin’ny tokantrano voatafika.

Partager sur: