Nivoaka ny efitrano fivoriana ny loholona MMM, Rakotondrainibe Ndriana, omaly, tetsy Anosikely. Tsy nanatrika ny fandatsaham-bato fanesorana ny filohan’ny Antenimierandoholona ny tenany. “Tsy manara-dalàna izany ary tsy azo ekena. Mahakasika ny antenimiera roa tonta no azo angatahana fivoriana tsy ara-potoana fa tsy ny anay irery fotsiny ihany”, hoy izy.
Manjaka tanteraka ny tsy fahamarinana ary mandindona ny fahapotehan’ny firenena, araka ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, nialoha ny nanonganana azy, tetsy Anosikely, omaly. Nambarany fa ady iombonana ny fanavotam-pirenena. “Mitsangana fa mila antsika ny tanindrazana”, hoy izy.
Hanao hetsika am-pilaminana rahampitso ny ao Ambatondrazaka, raha tsy misy ny fiovana. Hotarihin’ny solontenan’ny kandidà 11 any an-toerana izany. Nitohy omaly koa ny fidinana an-dalambe ho an’ny ao Antsirabe sy ny tao Ambalanomby, any Menabe. Maro ireo nanotrona ary maro koa ireo niverin-dalana noho ny tahotra ny Emmo/Reg.
Niainga teny Ampasika ary nifarana teny Antohomadinika ny tolona am-pilaminana nataon’ireo kandidà mitambatra, omaly. Tonga maro ny mpanara-dia nanohana ny hetsika tamin’izany. Mitohy ny tolona raha tsy tratra ny tanjona hanatanterahana ny fifidiana madio sy mangarahara eto amin’ny Nosy. Hiainga eny Ampasampito ny hetsika ho an’ny anio raha tsy misy ny fiovana.