Nifandona teny an-kianja ny mpomba ny kandidà laharana fahatelo sy ireo kandidà mpanohitra ny fifidianana. Voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana.
Nafana ny fifandonana teny Ampasampito, omaly. Nifampikasi-tanana ireo olona tsy mitovy hevitra teny an-toerana. Ny andaniny avy amin’ny mpomba ny kandidà 11, ny ankilany ireo manao fampielezan-kevitra hanohanana ny kandidà Rajoelina Andry, izay tarihin’ny solombavambahoaka, Raholdina Naivo.
Nanomboka tamin’ny 9 ora sy sasany maraina, efa tazana teny ireo ankolafy roa. Ora iray sasany taorian’izay, nanomboka ny fifampihantsiana. Nifandrangitra, nifanambany, nifanao teny maharary izy ireo. Nisy ny tsy nahatanty, nandritra io fotoana io, ka raikitra ny fifampikasihan-tanana: nifandaka, nifamely totohondry, nifamelaka tehamaina. Manoloana izany, voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana nanasaraka azy ireo.
Mitohy ny fampielezan-kevitra ataon’ny kandidà laharana fahatelo manerana ny Nosy. Misy ny famoriam-bahoka sy ny fihidinana an-dalambe. Tsy mbola nisy ny fihoaram-pefy sy ny tsy fanarahan-dalàna. Ny eto an-drenivohitra ihany no misy ireo karazam-panoherana, eny anivon’ny boriborintany.
Hitohy ny hetsika, anio
Hitohy anio ny hetsiky ny kandidà 11. Mihevitra ny hamaky ny kianjan’ny 13 mai izy ireo. Tsy hanao rodobe amin’ny toerana iray fa hiainga amin’ireo sakeli-tanàna: Mahamasina, Ampasika, Ankazomanga, Anjanahary, Ampasampito, Behoririka, Ankatso ary Ambanidia.
Manamafy ireo mpitarika fa am-pilaminana ny hanaovan’izy ireo izany.
Na eo aza ny tsy fitovian-kevitra, efa hita soritra fa miomana amin’ny fampielezan-kevitra ny kandidà rehetra, efa tonga eto an- toerana ny fiaramanidina sy ny angidimby an’ny kandidà Randrianasoloniaiko Siteny sy Razafinjoelina Tahina. Ankoatra izay, efa mipetraka any amin’ny faritra ny birao fampielezan-kevitr’ireo kandidà rehetra.
Manoloana ny zava-nitranga sy ny fifandrangitana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany, miantso sy manentana ny olona mba ho tony sy hifanaja ny prefet an’Antananarivo. Nambaran’izy ireo fa efa misy ny toerana natokana hanaovana ny fampielazan-kevitra. Tsy azo anaovana hetsika kosa ny kianjan’ny 13 mai, hoy izy ireo.
Nomarihin’izy ireo fa tsy azo atao ny mitangorongorona amin’ireto toerana ireto: Ambohijatovo, Pavillon Analakely, Tsaralalana, Antsahavola, Ambohidahy, Soarano, Petite Vitesse, Ambodifilao ary Antaninarenina.
Fitia Randria