Arivonimamo: dahalo raindahiny maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny zandary ny dahalo ikoizana amin’ny halatra omby tao Ampanazava, fokontany Antsampandrano, kaominina Amboanana, distrikan’Arivonimamo, afakomaly. Nanao ny asa ratsiny niaraka tamin’ny dahalo efa-dahy ka nanaovan’ny mpitandro filaminana fikarohana nanomboka ny 20 septambra lasa teo. Sarona ny iray ka efa namita sazy any am-ponja.  Namoahana didy fikarohana kosa ireo telo lahy namany. Voasambotra ny iray. Natao fanadihadiana ka niaiky heloka sy hitoroka ny toerana misy ireo namany io dahalo io. Nanao izay ho afany handosirana anefa ity farany rehefa tonga tamin’ny toerana voatondro. Nampitandrina azy tsy hitsoaka noho izany ny zandary saingy nandà izany io olon-dratsy io. Vokany, maty voatifitra izy. Naiditra am-ponja kosa ireo roa hafa namany.

Tsiferana R.

 

Partager sur: