Mpanazava eto Madagasikara: “Mila matoky tena ny zatovovavy”

Ny fahazotoana manoloana ny zava-tsarotra mety handalo no mahatonga ny ankizivavy sy ny zatovovavy ho fanoitry ny fanovana ny hoavy ho tsara kokoa hatrany. Mihamaro ny zava-tsarotra iainan’ny ankizivavy ankehitriny eo amin’ny tontolo misy azy. Mila mivonona ho amin’izany izy ireo ary mila mahazo fanabeazana mifandraika amin’izany. Nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizivavy, lohahevitra hoe: “Vonona ny hanova ny tontolo ho tsaratsara kokoa”. Mandray anjara amin’ny fahazoan’ny ankizivavy fanabeazana sahaza ny fikambanana Mpanazava eto Madagasikara ary manome sehatra ahafahany mitondra feo momba izany.
Hizara ny fahavononany hiatrika ny zava-misy, amin’ny alalan’ny fanatanterahana ireo fandaharam-panabeazana efa nositrahany ny mpikambana mandritra ny herinandro.
Singanina manokana ny fanatanterahana sahanasa momba ny fahatokisan-tena izay fanalahidy goavana amin’ny fandraisana andraikitra sy asa fitarihan’ny ankizivavy.
Raha matoky tena tokoa ny ankizivavy, afaka mitarika ny fiovana tsara tiany hositrahana eo amin’ny tontolo manodidina azy.

Vonjy

Partager sur: