Toetry ny andro: ahina ny mety hisian’ny havandra

Nampitandrina ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro fa mandritra ny rotsakorana izay andrandrain’ny faritra afovoantany hatry ny omaly, mety hitohy anio. Hisy ny havandra amin’ny toerana sasany mety hanimba ny voly.
Voakasik’ity vinavina amin’ny filatsahan’ny havandra ity ny faritra Analamanga manontolo sy Alaotra Mangoro ary Vakinankaratra. Omaly, nisitraka orana ny teto Antana­narivo sy ny manodidina.
Hitohy hatrany koa ny hafanana manevokevoka ao anatin’ny telo andro ho avy, raha ny vinavinan’ny Meteo. Manodidina ny 26°C hatra­min’ny 36°C ny maripana.
Hitohy ny tandrifin-drahona arahin-kotroka ho an’ny afovoantany. Misy hatrany ny rindrin-drahona manatona tsikelikely ny tapany atsimon’ny Nosy. Eo ko ny tangoron-drahona any avaratry ny Nosy. Midina, araka izany, ny tsindrin’ny atmosfera ka manamora ny filatsahan’ny orana.
Fantatra koa izao fa tafakatra avo 9 heny mihoatra ny fetran’ny OMS ny fahalotoan’ny rivotra ka mila mitandrina ireo olona marefo.

Tatiana A

Partager sur: