Manahy sahady amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana ny mpiara-belona manoloana ity raharaha politika misy eto amintsika ity. Voatery manakaton-tsena ny ankamaroan’ireo mpivarotra eny an-dalana lalovan’ireo mpilahatra, hisorohana ny fandrobana sy ny tsy fandriampahalemana. Mihena ny vola azo, tsy mihodina ny tsena.
Mampitaraina ny fiarahamonina ny fahatapahan-jiro ataon’ny orinasa Jirama eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tapaka indroa na intelo farafahafahakeliny isan’andro ny herinaratra, mitohy koa izany ny alina. Miantraika eo amin’ny famatsian-drano izay miankina amin’ny fampiasana herinaratra koa ny zava-misy.
Tapaka ny fifamoivoizana ho an’ireo fiara vaventy eo amin’ny tetezam-by ao Moramanga, RN2, mampitohy ny renivohitra sy i Toamasina, rahampitso talata manomboka amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ ny 6 ora hariva, noho ireo asa tsy maintsy atao eny an-toerana. Hisy ny familian-dalana andehanan’ny fiara madinika mandritra ny asa fanamboarana.
Mahatratra 2 t isan-kerinandro ny trondro avy ao amin’ny orinasa Murex International ao Tsinjorano-Morombe mankao Toliara. Nahomby ny paikady napetrak’ity orinasa ity hitantanany ny harena an-dranomasina ka nahazoany ireo vokatra ireo. Mbola mijanona ho olana hovahana kosa ny momba ireo harato tarika.