TSELATRA

Manao antso avo ho an’ny mpiasa rehetra, na mpiasam-panjakana na mpiasan’ny orinasa tsy miankina, hanatevin-daharana ny tolona atao anio ireo kandidà 11. Mila sahy mijoro ny rehetra, hoy ny solontenan’izy ireo, nandritra ny hetsika nataon’izy ireo niainga teny Ambodimita ka nifarana teo Ambodivonkely-Ambohimanarina, omaly. Vonona hiatrika fifidianana izy ireo saingy mila madio ny kianja hilalaovana, araka ny nambarany.
Vehivavy iray maty tsy tra-drano voafaokan’ny fiara tao Ambalamanasy, Toamasina, omaly. Fiara an’olon-tsotra nandalo no nifatratra tampoka tamin’io vehivavy io. Tsy tafajanon’ny mpamily ny fiara noho ny hatairana. Nipitika ilay vehivavy voadona. Namoy ny ainy avy hatrany izy. Potika ny lohan’ny fiara.
Voasambotry ny zandary misahana ny fanadihadiana manoloana ny raharaha hala-boamaso ny olon-dratsy roa lahy, tao Ejeda, afakomaly. Mponina ao an-toerana izy roa ireo, izay nanala ny voamasona vehivavy roa, ny faran’ny herinandro teo. Niaiky heloka avokoa izy roa lahy. Karohina ny olona mpanome azy ireo vola ka antony nanaovany io habibiana io.
Mpitsinjara sady mpidoroka rongony iray niakatra fitsarana tetsy Anosy, omaly. Nahatraran’ny zandarimaria rongony 138 fonosana ary amidiny amin’ireo tanora vao erotrerony tao anatin’ny distrikan’ Ambohidratrimo ireo zava-mahadomelina ireo. Nitotaly 800 grama ny entana tratra teny amin’ity lehilahy ity. Naiditra am-ponja ny tenany.
Lehilahy nisy nanao tara-jiro ka namoy ny ainy tao amin’ny kaominina Menamaty Iloto, distrikan’Ihosy, ny faran’ny herinandro teo. Hamonjy fatoriana izy io tratra ny tifitra tampoka io ka nentina nihazo ny CSB II Iloto. Tsy tana anefa ny ainy. Manao ny fanadihadiana ny zandarimaria ao an-toerana.

Partager sur: