FANTINA sy FINTINA

Nanomboka ny propagandiny tao Ambosi­tra, tanindrazany, ny kandidà Raderanirina Sendri­son, ny faran’ny herinandro teo. Naka tsodrano amin’ireo any an-tanàna ny tenany sady nanangana ny Tsangambato , efa niondrika tao anatin’ny 35 taona any an-toerana. Nanolotra omby mazavaloha ho nofon-kena mitam-pihavanana izy.

Manamafy ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) fa manameloka ny herisetra rehetra atao amin’ny mpanao gazety, na avy aiza na avy aiza ary na amin’ny endriny inona, araka ny fanambarana, omaly. Manara-maso akaiky ny raharaha fandrobana mpanao gazety ary handray ny fepetra takin’ny lalàna, mifanandrify sy mifandraika amin’izany ny holafitra.

“Tsy azo iverenana ny fanapahan’ny HCC ary tsy azo ivalozana ny didy avoakany”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbola­tiana, teny Anosy, omaly. “Efa nanapaka ny HCC fa nafindra any amin’ny governemanta ny fitantanana. Tsy azo eritreretina intsony fa hiverina any amin’ny filohan’ny Antenimirandoholona indray izany”, hoy izy.

Afa-baraka tanteraka ny firenena, araka ny fanambaran’ny Seces Antananarivo, ny faran’ny herinandro teo. “Mampiboridana tanteraka an’i Ma­dagasikara ireo fanonganam-panjakana sy fanosihosena ny Lalàmpanorenana, antoky ny fiandrianam-pirenena, niadian’ireo razantsika”, hoy izy ireo.

Partager sur: