Mitentina 652 tapitrisa Ar ny famatsiam-bola nataon’ny tetikasa Fihariana hatramin’ny taona 2019. Entina hanohanana ireo mpandraharaha misehatra amin’ny famokarana savony, sy ny vokatra fikarakarana tarehy ary ny “huiles essentielles” maro isan-karazany izany.
Hiara-hisalahy ho an’ny paikady hoentina mandritra ny efa-taona ho an’ny faritra atsimon’ny Nosy ny ONG Welthungerhilfe (WHH) sy ny minisiteran’ny Fambolena ary ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Hojerena ny fahafahan’ny tantsaha miatrika ny loza voajanahary sy ny asa tokony hatao mifandraika amin’izany.
Nanomboka omaly ny fivoriana momba ny fandaharanasa Miatrika ho an’ireo mpiantsehatra eo amin’ny fizahantany eto amin’ny faritra Analamanga, karakarain’ny “Confédération du Tourisme de Madagascar (CTM)”. Hisy ny fiofanana maimaimpoana ho an’ny fampiroboroboana ity sehatra ity sy ho fanatsarana ny tolotra omena.
Nahazo fampitaovana ireo mpanjono miisa 100 ao Andavadoake, kaominina Befandefa, distrikan’i Morombe. Tohana ho fampiroboroboana ny seha-pihariany sy ho fiarovana azy ireo raha sendra loza tsy ampoizina eny an-dranomasina.