Nisy fampiofanana momba ny fampivoarana ny maha olona sy ny fandraharahana, ho an’ny vehivavy, tao amin’ny faritra Atsimo Andrefana. 504 ireo mpiofana avy amin’ny fikambanana Zara Hasina. Fanofanana faobe iandraiketan’ny minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Unesco izany ary hisitraka avokoa ny faritra maro.
Mbola nitohy ny hetsiky ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra eny amin’ ny oniversiten’Antananarivo hatramin’ny omaly. Telo volana tsy nahitana vahaolana ny fitakian’ny mpampianatra. Nanao hetsika amin’ny tokony hamerenana ny fampianarana ny fikambanan’ny mpianatra fa tsy nisy nihaino.
Nampahafantatra ny hopitaly manara-penitra eny Anosiala fa efa manomboka mandray marary ireo sinoa mpitsabo, eny an-toerana. Anisan’ny mampalaza ny fitsaboana eny an-toerana ny tsindrona volamena na ny acupuncture. Mandray ny fitsaboana ankapobeny sy ny fitsaboana ny fananahana ihany koa anefa izy ireo.
Mbola ahina ny filatsahan’ny havandra amin’ ny toerana sasantsasany eto afovoantany sy ny manodidina, raha ny filazan’ny mpamantatra ny toetry ny andro hatrany. Voakasik’izany ny eto Analamanga, Itasy, Amoron’i Mania, Bongolava, Vakinankaratra ary Alaotra Mangoro.