Hisokatra ho azo ampiasaina indray ny kianja mitafon’ny ANS (Akademia Nasionalin’ny Spaoro) Ampefiloha, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny tomponandraikitra teny an-toerana. Ny 20 oktobra izao no hanomboka ho azo ampiasaina izany, rehefa nikatona volana vitsy, noho ny fanamboarana. Hiaraka hisokatra amin’ny kianja mitafo, ny dobo filomanosana.
Hotontosaina ny 10 novambra hatramin’ny 2 desambra ho avy izao, any Indonesie, ny fiadiana ny amboara maneran-tany, “Mondial 2023”, sokajy U17. Anisan’ireo mpitsara voatendrin’ny CAF hitsara ny lalao any an-toerana, Andriatianarivelo Dimbiniaina, Malagasy mpitsara mpanampy.
Tafita hiatrika ny Euro 2024 izay hatao any Allemagne, ny ekipam-pirenen’i Espagne, rehefa lavon’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0 i Norvège. Tsy afaka ny hanao Euro hiaraka amin’ny ekipam-pireneny indray izany ilay Norvezianina, Erling Haaland. Marihina fa i Gavi, Espaniola mpilalao baolina kitra ao amin’ny Fc Barcelone, no nahatafiditra ny baolina.
Tapitra teo amin’ny ampahefa-dalana ny dian’ ny ekipam-pirenena frantsay, izay mpampiantrano ny Mondial 2023, taranja Rugby. Lavon’i Afrika Atsimo, tamin’ny isa 29 no ho 28 izy ireo. Marihina fa ny Springboks Afrika Atsimo no nahazo ny amboara farany tamin’ity fifaninanana ity.