VAOVAO TAMBATRA

Ho tapaka ho an’ny fiara vaventy ny ampahan-dalana RN 2, eo amin’ny PK 60+300 eny Mandra­ka, rahampitso alakamisy 19 oktobra. Ma­nomboka amin’ny 10 ora maraina izany hatramin’ny 3 ora tolakandro. Antony, ny fanamboaran-dalana ka anisan’izany ny fandrakofana tara.
Nidina ifotony nandamina ny disadisa teo amin’ny samy mpitrandraka « quartz rose », tany Akipa, distrika fandriana, ny fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany, Amoron’i Mania. Nohaza­vaina ny lalàna mifehy ny fitrandrahana sy ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny tsy tokony hampiasana ny zaza tsy ampy taona, indrindra ny faritra azo trandrahana.
Ampy tsara ny tahirim-bary eny amin’ny to­bin’ny SPM eny Anosizato. Ahitana karazam-bary samihafa avy eto an-toerana, toy ny makalioka, ny vary gasy, ny avy any ivelany « stock ». Nitsidika izany teny an-toerana ny solontenan’ny fikambanan’ny zon’ny mpanjifa, toy ny Fizompam, ny 17 oktobra teo.
Manodidina ny 1 000 Ar hatramin’ny 1 400 Ar ny kilaon’ny ovy eny amin’ny tsenan’Andravoa­hangy. Eo ho eo amin’ny 2 000 Ar kosa ny kilaon’ny tongolobe sy ny karaoty. Nilaza ny mpivarotra fa mora io vidin’ny tongolobe io satria vokatra izy izao, fa lafo kosa ny karaoty.

Partager sur: