Mitohy ny ady hiragasy. Hifandrina etsy amin’ ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha ny tarika Rafarahasimanga Georgine avy any Ambohimandroso, sy ny Ra-Chri avy any Andohavato, ny alahady 22 oktobra izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Toy ny mahazatra, maimaimpoana hatrany izany. Hisy kosa ny fitatazan-drakitra ho an’ireo mpifanandrina.
Nankasitrahana ny “Sitabaomba”. Horonantsary fanadihadiana notontosain’i Lova Nantenaina izy ity. Nahazo ny “Film Prize Leipziger Ring” izany, nandritra ny hetsika notontosaina tany Allemagne, ny 8 hatramin’ ny 15 oktobra lasa teo. Pi-maso ho an’ireo tantsaha mpamboly, izay monina amina toerana tsiriritin’ny mpampiasa vola ity horonantsary ity.
Kilalaon-tsaina. Notanterahina omaly tolakandro, teny amin’ny Médiathèque, IFM Analakely, ny fampahafantarana ny kilalaon-tsaina “7 familles Madagascar sous la mer”. Kilalaon-tsaina noforonina Malagasy izy ity, natao ho an’ny ankizy mpianatra noho izy mampahafantatra ny zava-misy sy ny harena an-dranomasina, amin’ny alalan’ny lalao.
“Caravan’iles 2023”. Anjaran’ny teny amin’ny boriborintany faharoa ny nandray ny “Caravan’iles”, hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny boky, aty amin’ny ranomasimbe Indianina, omaly. Hitohy rahampitso eny amin’ny tranombokin’ny boriborintany fahatelo ny hetsika rahampitso, hiarahana amin’i Arikaomisa Randria.