Nipitika rehefa voadonan’ny fiara nirimorimo, vehivavy iray namoy ny ainy, tao Ambalamanasy, ny alatsinainy 16 oktobra.
Maty teo no ho eo, voadonan’ny fiara nandeha mafy ny vehivavy iray niampita arabe, tao amin’ny lalam-pirenena fahadimy, teo Ambalamanasy mihazo ny seranam-piaramanidina, afakomaly tamin’ny 12 ora sy 30 minitra. Niaraka tamin’ny namany maromaro io vehivavy niharan-doza io. Niara-niampita tamin’ny lalam-pirenena izy ireo kinanjo niseho tampoka ny fiara iray. Nandeha mafy anefa ilay fiara ka voafaoka avy hatrany ilay vehivavy iray. Taitra tamin’io fahavoazan’ny namany io kosa ny iray hafa ka nianjera ivelan’ny arabe. Maty tsy tra-drano ilay niharan-doza. Nijanona ny fiara nandona. Tsy nisy azo natao intsony tamin’ilay voadona. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana kosa ilay vehivavy iray safotra. Tsy nisy nahina ny ainy saingy manahy ny fianakaviany fa hisy fiantraikany amin’ny fahasalamany ilay fianjerany tampoka nandritra ny fotoan’ny loza. Ankoatra izay, nitrangana lozam-pifamoivoizana koa tao Tanamakoa, ny 11 oktobra lasa teo. Teratany vahiny iray nandona posy avy aoriana. Nisy mpianaka roa nandeha tao anatin’io posy io ka naratra mafy. Nandrahona ilay mpitari-posy indray anefa io teratany vahiny io.
Sajo.