Harem-pirenena : olona roa mpanondrana sokatra voasambotra

Mirongatra indray ny trafikan-tsokatra any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Efa tambajotra ireto voasambotra ireto.

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny mpanondrana sokatra roa mianadahy tao Betaratse, kaominina Fotadrevo, 60 km miala an’i Ejeda, distrikan’Ampanihy, ny alarobia 25 oktobra teo. Naharay loharanom-baovao ny zandarimaria fa misy olona mitatitra sokatra avy any Atsimo. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana. Sarona ny lehilahy sy vehivavy iray saingy tafatsoaka ny namany. Sokatra 149 isa tratra teny amin’izy roa. Velona avokoa ny sokatra 60 tamin’ ireo. Ankoatr’io, efa nataon’ireo tsy valahara kitoza maina ny sokatra sasany. Nentina natao famotorana avy hatrany ireto olona roa voasambotra ireto. Nogiazana ireo sokatra 60 velona. Misarika ny fokonolona eny ifotony hampita hatrany ny loharanom-baovao ara-potoana ahafahana misambotra ireo olon-dratsy kosa ny mpitandro filaminana.

Tambajotra goavana

Efa fikambanana mihitsy ireto mpangalatra sokatra ao amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ireto, raha araka ny angom-baovao. Avy ao amina kaominina iray ao amin’ny distrikan’i Betioky Atsimo, ireo olona voasambotra ireo. Efa navadik’izy ireo kitoza avokoa ny 89 tamin’ireo sokatra nangalariny. Karazan-tsokatra Radiata na irony atao hoe Sokake irony ireto sarona ireto. Raha tsiahivina, sokatra 557 isa tratra tao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato nokasaina hahondrana ny 17 oktobra lasa teo.

Tsiferana R.

Partager sur: