Tratra taorian’ny hazalambo nataon’ny zandary ny dahalo raindahiny iray tao amin’ny fokontany Amboanjo, kaominina Manaratsandry, distrikan’i Mitsinjo, ny 24 oktobra teo. Nanafika tao amin’ny tanànan’Analamamy ireo olon-dratsy tamin’ny 22 oktobra. Roa lahy no tompon’antoka. Voaroba ny omby miisa efatra. Raikitra ny fanarahan-dia. Naharay loharanom-baovao ny zandary fa mihaodihaody ao amin’ny fokontany Amboanjo ireo mpandroba. Nifandona ireto farany sy ny mpitandro filaminana tamin’ny 6 ora sy sasany hariva. Latsaka teny amin’ireo dahalo ny omby efatra. Lavo nandritra ny fifampitifirana ny iray tamin’ireo mpangalatra. Tafaporitsaka ny namany.
Tsiferana R.