FANTINA sy FINTINA

Nidina an-dalambe nanentana ny rehetra hampaneno sarom-bilany sy kiririoka ny Hetsiky ny firaisamonim-pirenena, omaly tamin’ny 12 ora atoandro, teto an-drenivohitra. Nambaran’izy ireo fa fanehoana antso sy taraina izany.

Hitohy etsy Antsonjombe indray ny hetsiky ny kandidà 10, anio. Tsy hisy ny diabe tahaka ny mahazatra fa hifamotoana avy hatrany eny an-toerana izy ireo. Hisy ny fotoam-bavaka ho an’ny firenena sy ny lahateny samihafa.

Nanao fanambarana ireo ampanjaka avy any Vohipeno, Manakara, Vangaindrano sy Farafangana, omaly. “Mijoro izahay Ndrenony/Ampanjaka sy Raiamandreny hampanaja ny soatoavina. Aoka tsy hatao sorona ny vahoaka manoloana ny disadisa” , hoy izy ireo.

Notanterahina nanomboka teny Ambohitra­ra­haba hatrany Sabotsy Namehana, omaly ny dia­ben’ireo kandidà 11. Tsy miova ny votoantin-dresaka, anisan’ny tena nanaitra ny maro ny filazana fa “mpamadika izay manao fampielezan-kevitra.”

Partager sur: