TARATRY ny KANTO

Ady hiragasy etsy Ampefiloha. Mitohy hatrany ny fihaonan’ny mpiangaly sy mpankafy hiragasy, etsy amin’ny Kianja Ampefiloha. Hifandona ny alahady izao ny tropy Ramanamahefa avy any Antaninandro sy Rakotomandimby Jean Pierre avy any Morarano Gara. Maimaimpoana hatrany izany, saingy entanina kosa ireo mpankafy fa misy ny rakitra hotatazana ho an’ireo mpanakanto.
Nivoaka ny “Tomaratra”. Amboaran-tononkalo voalohany mirakitra ny sanganasan’i Namby Vetso izy ity. Tononkalo miisa 113 no voarakitra ao, izay manodidina lohahevitra maro, toy ny fitiavana an’ Andriamanitra, ny fitiavan-tanindrazana, ny fiainana sy ny fahafatesana, sns. Poeta tanora, manam-paniriana ny hametraka ny diam-peniny ho an’ny literatiora ma­lagasy i Namby Vetso.
Fondation H. Tanterahina anio, eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny lanonana fanokafana amin’ny fomba ofisialy, ny trano famakiam-bokin’ity ivontoeran’ny kolontsaina sy haikanto ity. Hiaka-tsehatra sy hitondra seho miavaka, mandritra izany lanonana izany, i Pascale Obolo sy Ntone Edjabe, vahiny mpahay kanto.
IFM Analakely. Haikanto maroloko no ho hita eny amin’ny IFM Analakely, anio tolakandro. Teatra sy Poezia ary dihy an-tsehatra no ho hita eny an-toerana anio. Hampiavaka ity fampisehoana ity ny filalaovana ny “La Pomme de” iarahana amin’ i Barry Benson sy Tagman Namgat…

Partager sur: